Inicia sesión para activar tu suscripción y eliminar los anuncios

Iniciar sesión

Trandremo

Sasamaso

Mandady romota ireo trambolahy
Misalotra ny faniaman'ireo vazaha mpanjanaka
Mody manao asa soa mampiasa vola be soa etsy sy eroa
Nefa hanandevo sy handroba ny haren'ireo taranaka

Aza ravaina re ny tany e
Fa avelao ho lovain'ny hafa any aoriana
Aza simbaina re ny tany e
Fa avelao ho lovain'ny hafa any aoriana

Tsy renao ve mito ndra kolontsaina ratsy ireo jiolahy?
Miadam-pandeha, mampitondra enta-mavesatra
Jereo! Mametaveta ireo taranaka
Fa loza hoan'ireo izay manaiky ho resin'ireo tsy vanona!

Aza ravaina re ny tany e
Fa avelao ho lovain'ny hafa any aoriana
Aza simbaina re ny tany e
Fa avelao ho lovain'ny hafa any aoriana

Tranon-kala e! Hatrany ampaladia
Trano be faharatsiana ny trano be izay nihaviana
Korotam-peo, karazana teny tsy fantatra
Entiny manababo an'ireo kely salosana

Aza ravaina re ny tany e
Fa avelao ho lovain'ny hafa any aoriana
Aza simbaina re ny tany e
Fa avelao ho lovain'ny hafa any aoriana

Agregar a la playlist Tamaño Cifrado Imprimir Corregir Enviar la traducción

Comentários

Envie dúvidas, explicações e curiosidades sobre a letra

0 / 500

Faça parte  dessa comunidade 

Tire dúvidas sobre idiomas, interaja com outros fãs de Sasamaso e vá além da letra da música.

Conheça o Letras Academy

Enviar para a central de dúvidas?

Dúvidas enviadas podem receber respostas de professores e alunos da plataforma.

Fixe este conteúdo com a aula:

0 / 500


Opções de seleção